Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khattab (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mifototra amin'ny finiavana ny Asa rehetra, ary iz...
Mari-pototra
Notantarain’i Bokhari sy Moslim

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa rehetra manan-kery dia miainga amin'ny finiavana, ary izany lalàna izany dia mihatra amin'ny endrika ankapobeny...
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay nitondra zava-baovao ato amin’ity raharahantsika ity, izay tsy ao an...
Mari-pototra
Notantarain’i Bokhari sy Moslim

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mamorona zavatra amin'ny finoana na manao zavatra tsy misy porofo avy amin'ny CORAN sy ny Sonnât dia haverina an...
Tatitra avy tamin'i Oumar (R.A), niteny manao hoe : "Indray andro izahay niara-nipetrapetraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W), dia nisy lehilahy iray maint...
Mari-pototra
Notantaraiin'i Moslim

Manambara atsika i Oumar ibno Al-Khattabo (R.A) fa niseho teo anatrehan'ny Mpanaradia i Anjely Gabriel (jibril), miendrika Olona tsy fantatra. Ary ny...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fij...
Mari-pototra
Notantarain’i Bokhari sy Moslim

Nampitovin'ny Mpaminany (S.A.W) ny finoana silamo tamin'ny trano mafy orina, amin'ny alalan'ireo andry diminy, izay mitondra izany trano izany, ary ir...
Tatitra azo avy tamin'i Mouazy (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nitaingina tao aorian' ny Mpaminany (S.W.A) Aho tamin'ny apondra antsoina hoe : Oufair, di...
Mari-pototra
Notantarain’i Bokhari sy Moslim

Manazava i Mpaminany (S.W.A) ny Zon'i Tompo Allah amin'ny mpanompony, sy ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah, ary ny Zon'i Tompo Allah amin'ireo m...

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa rehetra manan-kery dia miainga amin'ny finiavana, ary izany lalàna izany dia mihatra amin'ny endrika ankapobeny amin'ny asa fanompoana rehetra sy ny fifampiraharahana misy eo amin'ny fiainana, ka na iza na iza ny mikasa ny hanao asa hahazoany tombony dia tsy hahazo izany tombontsoa izany izy afa-tsy amin'izay nirihiny, fa tsy hahazo valisoa, ary izay mikasa hanatona an’i Allah ilay avo Tsitoha amin’ny asany dia hahazo hatsarana sy valisoa avy amin’ny asany Izy, na dia asa tsotra mahazatra azy, toy ny fihinanana sy ny fisotroana. Avy eo, i Mpaminany (S.W.A) nanome Ohatra hanehoana ny fiantraikan’ny finiavana amin’ny asa, na dia asa mitovy atao amin'ny endrika ivelany aza, ka nanazava Izy fa na iza na iza nikasa ny hifindra monina ka nandao ny tanindrazany hitady izay hahafaly ny Tompony, ny fifindra-monina izay ataony dia ara-dalàna sy azo ekena ary hahazo valisoa amin’izany izy noho ny fahadiovam-po nisy teo aminy, ary na iza na iza nikasa ny fifindrany mba hahazo tombony amin’izao tontolo izao, toy ny vola na voninahitra, na varotra, na vady, dia tsy hahazo valisoa afa-tsy izay nokasainy ihany, ary tsy hanana anjara amin’ny valisoa na tombontsoa hafa intsony Izy.
Hadeeth details

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mamorona zavatra amin'ny finoana na manao zavatra tsy misy porofo avy amin'ny CORAN sy ny Sonnât dia haverina any amin'ny tompony izany ary tsy ho raisin'I Allah.
Hadeeth details

Manambara atsika i Oumar ibno Al-Khattabo (R.A) fa niseho teo anatrehan'ny Mpanaradia i Anjely Gabriel (jibril), miendrika Olona tsy fantatra. Ary ny endriny rehefa niseo dia tamin'ny fitafy fotsy be, ary mainty be ny volony. Tsy hita taratra aminy ny voyage toy ny harerahana, ny vovoka, ny volo mikorontana, ny fahalotoan'ny akanjo. Tsy nisy nahafantatra azy ireo nanatrika teo, ary niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) izy ireo ka nipetraka teo anoloan'ny Mpaminany (S.W.A) ihany koa izy, tahaka fipetraky ny mpianatra, nanontany azy momba ny Finoana Islam, ary namaly azy tamin'ireo andry ireo Izy, anisan'izany ny fanekena ny Fijoroana vavolombelona roa momba ny Finoana, ny fifikirana amin'ny vavaka Soalat in-dimy isan'andro, ny fandoavana ny Zakat any amin'izay mendrika azy, ary ny fifadiakanina amin'ny volana Ramadany. Ny fanaovana ny Hadjy izay takina amin'ireo olona manan-katao. Hoy ilay Nanontany hoe : Marina ny Teninao. Gaga tamin'ny fanontaniany ireo Mpanaradia izay mampiseho ny tsy fahalalany ny zavatra hita ho marina, ary avy eo ny Finoany izany. Avy eo dia nanontany azy momba ny finoana, ary namaly azy tamin'ireo andry enina ireo izy, izay ahitana ny finoana ny fisian'i Allah ilay avo Tsitoha sy ny Toetrany, ny fitokanany amin'ny Asany toy ny famoronana, ny fanokanana Azy ho fanompoam-pivavahana, ary ireo Anjely izay noforonin'i Allah avy amin’ny hazavana dia mpanompo mendri-kaja izay mankatò an’i Allah ilay avo Tsitoha ary miasa araka ny Baikony, ary mino ireo Boky nampidinina tamin’ireo Irakan’Allah ilay avo Tsitoha avy Aminy, toy ny Koroany, sy ny Taoreta ny Filazantsara, sy ny hafa izay nomena ireo Iraka sy ny Mpaminany; ary mino an’ireo Iraka izay nampita hafatra avy amin'Allah, ary anisan’izy ireo dia i Mpaminany : Noa, Abrahama, Mosesy, ary Jesosy, ary ny farany tamin’izy ireo dia i Mpaminany Mouhammadi (S.W.A), i Tompo Allah anie hitahy azy ireo sy hanome azy ny fiadanana, ary ireo Mpaminany sy ny Iraka hafa ankoatr'izy ireo, ao koa ny finoana ny andro farany, Ny Andro izay ahitana ny zavatra ho avy aorian'ny fahafatesana ao am-pasana sy ny fiainan'ny Barzakh, ary ny fitsanganana amin'ny maty aorian'ny fahafatesana ary ho tsaraina ka ny fihafarany dia any amin'ny Paradisa na ny Afobe, ary mino fa Allah no mandahatra araka ny tokony ho Izy araky ny fahalalany mialoha sy ny fahendreny ary ny fanoratana izany, eo koa ny sitrapony, ary hiseho izany araka izay voatendriny sy ny nahariany azy ireo. Avy eo dia nanontany azy momba ny hatsarana, dia namaly izy fa ny hatsarana dia ny manompo an'Allah toy ny mahita Azy, Fa raha tsy mahatratra ambaratonga izany dia manompo an'Allah tahaky ny hoe : i Allah mahita azy. Ka ny voalohany dia satan'ny fahitana ary ny faharoa dia ny satan'ny fanaraha-maso. Avy eo nanontany azy hoe : Ovina ny Ora farany? Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahalalana momba ny Ora dia isan’ireo Zavatra natokan'Allah ho azy irery ny fahalalana mahakasika izany, ary tsy misy na dia iray amin’ireo zavaboary mahalala izany, na ilay nanontaniana na ilay panontany. Dia nanontany momba ny famantarana ny Ora izy? Nanazava fa anisan’ny famantarana azy dia fahamaroan’ny Vaditsindranony sy ny Zanany, na ny fahamaroan’ny tsy fankatoavan’ny Zaza ny Reniny, ny fitondrana azy toy ny andevo, ary ny hahatonga izao tontolo izao ho maivana ho an’ny mpiandry ondry sy ny mahantra amin’ny andro farany, ary ho ataony reharehany ny haingo eto antany sy ny fanorenana trano mijoalajoala. Avy eo dia Nilaza i Mpaminany (S.W.A) fa i Anjely Gabriel (jiboril) no nanontany azy, izay tonga hampianatra ny mpanaradia ity finoana marina ity.
Hadeeth details

Nampitovin'ny Mpaminany (S.A.W) ny finoana silamo tamin'ny trano mafy orina, amin'ny alalan'ireo andry diminy, izay mitondra izany trano izany, ary ireo rafitra ny finoana silamo sisa dia mitovy amin'ny famenon'izany trano izany. Ny voalohany amin'ireto andry ireto: dia ny fijorona vavolombelona roa; Fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad dia irak’Allah, ary andry iray ihany izy roa ireo; Ny iray amin'izy roa dia tsy afa-misaraka amin'ny iray hafa, ny mpanompo dia manonona azy roa, manaiky ny maha-tokana an'Allah sy ny maha mendrika ny hivavahana Aminy irery fa tsy misy hafa ankoatra, manao zavatra mifanaraka amin'izany, ary mino ny hafatr'i Mohammad (S.A.W) ka manaraka Azy. Ny andry faharoa : Ny fananganana ny fivavahana Swalat, dia ireo vavaka dimy tsy maintsy atao amin’ny andro sy ny alina : ny Fajr, ny Zouhr, ny Asr, ny Mghrib, ary ny Isha, miaraka amin'ny fepetra rehetra takina aminy sy ny andriny ary izay tsy maintsy atao aminy. Ny andry fahatelo : Famoahana ny zakat tsy maintsy aloa, izy io dia fanompoana tsy maintsy atao amin'ny harena rehetra izay mahatratra ny fatra ao amin'ny lalàna silamika, izay omena sy atolotra ho an'izay mendrika izany. Ny andry fahefatra : Hajj, izay fikasana ho any Lameka hanao ireo fombafomba ho fanompoana an’I Allah Ilay Tsitoha. Ny andry fahadimy : Ny fifehezana Ramadany, io dia ny fifadiana amin'ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny zavatra hafa manapaka ny fifehezana miaraka amin’ny fikasana hanompo an’I Allah, manomboka amin’ny maraina vao mangirandratsy ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro.
Hadeeth details

Manazava i Mpaminany (S.W.A) ny Zon'i Tompo Allah amin'ny mpanompony, sy ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah, ary ny Zon'i Tompo Allah amin'ireo mpanompony dia ny fanompoana Azy irery ihany ka tsy hatambatra amin'ny zavatra hafa, Ary tena marina fa ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah dia tsy ny fanasaziany ireo mpanokana Azy amin'ny fanompoana ary tsy mba manambatra Izy amin'ny zavatra hafa. Avy eo Mouaz Niloam-bava ka Niteny ny hoe : O ! Ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah moa va tsy holazaiko amin'Olona rehetra izany mba hifalian'izy ireo amin'izany fahasoavana lehibe sy goavana izany ? Ka nosakana'ny Mpaminany (S.W.A) izy mba tsy hianki-doha ny amin'izany
Hadeeth details

Indray Andro i Muaz bin Jabal (R.A) no nitaingina ny bibiny tao aorian'ny Mpaminany (R.A), ary niantso azy izy i Mpaminany hoe: Ry Muaz? Naveriny intelo ny antsony, ho fanamafisana ny maha zava-dehibe izay holazainy aminy. Ary izany rehetra izany novalin'i Moa'zh (R.A) amin'ny teniny manao hoe : " Eny ry Irak'i Allah, Mihaino anao aho" izany hoe : hamaly antsonao Aho ry Iraki Allah hamaly antso isaky ny miantso, ary mitady fahasambarana amin'ny famalina ny antso. Nilaza taminy Mpaminanyi (S.W.A) fa izay mijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Allah, izany hoe : Tsy misy Tompo mendrika hotompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany, ary i Mohammad (S.W.A) dia Irak'Allah, marina ao am-pony tsy misy lainga, ka raha maty amin'izany teny izany izy dia ataon'i Allah fady aminy ny Afobe. Ka nanontany azy i Moa'zh (R.A) i Mpaminany (S.W.A) mba hanambara izany amin'ny olona rehetra mba hahafaly azy ireo? Natahotra i Mpaminany (S.W.A) sao dia hananki-doha amin'izany, ka lasa hampihena ny asa ataon'izy ireo. Ka tsy niresahan'i Moa'zh izany raha tsy fotoana kely talohan'ny nahafatesany; fatahorany amin'ny fanafenana ny fahalalana.
Hadeeth details

Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay rehetra mijoro vavolom-belona amin'ny lelany hoe : " Là ilàha illal-làhou" izay midika hoe : Tsy misy mendrika ho tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany, ary tena mikomy tanteraka ireo rehetra tompoina hafa ankoatr'i Allah, ary manalavitra ny finoana rehetra ankoatran'ny finoana Islam, dia voaharo ny harenany sy ny ràny amin'ireo vahoaka mpino silamo rehetra, isika dia tsy afaka mitsara afa-tsy izay hita aty ivelany amin'ny asa ataony, ka tsy afaka sintonina ny harenany ary tsy alatsaka ny ràny, Raha tsy hoe nanao heloka bevava izay mitaky fanamelohana azy araka ny fepetran'ny finoana silamo. afa-tsy rehefa manatanteraka ireo habibina na hadalana izay mitaky fampiharana lalàna eo Aminy amin'ireo lalànan'ny finoana Islam. Ary i Tompo Allah no mandray an-tànana ny fitsarana momba azy amin'ny Andro farany, raha marina izy dia ho valiany soa, fa raha mpihatsaravelatsihy kosa izy dia ho saziny amin'izany.
Hadeeth details

Nisy lehilahy iray nanontany an'i Mpaminany (S.W.A) mahakasika zavatra roa : izay mandidy ny fidirana amin'ny Paradisa, sy izay zavatra mandidy ny fidirana amin'ny Afobe ? Dia namaly izy (S.W.A) : Fa ny zavatra izay mandidy ny fidirana amin'ny Paradisa dia ny fahafatesan'Olona iray manompo an'i Tompo Allah tokana ka tsy manakambana Azy amin'ny zavatra hafa, Ary ny zavatra izay mandidy ny fidirana amin'ny Afobe dia ny fahafaatesan'Olona iray nanakambana an'i Tompo Allah ka nataon'i Tompo Allah manana mpifaninana sy tahaka Azy amin'ny maha Zanahary Azy na koa amin'ny maha-Tompo Azy na koa amin'ireo anarany sy ireo lazany.
Hadeeth details

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manolotra zavatra tokony ho an'I Allah irery ihany amin'ny hafa ankoatra Azy, toy ny fanaovana fangatahana amin ankoatra an'I Allah Tsitoha, na ny fitadiavana vonjy amin'ny hafa ankoatra Azy, ka maty tao anatin'izany izy dia anisan'ny olon'ny Afobe. Nanampy i Ibn Masoud (R.A) fa izay maty tsy nanambatra an’I Allah amin'ny hafa dia ho any amin'ny Paradisa ny làlan-kizorany.
Hadeeth details

Rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL (R.A) any Yamen i Mpaminany (S.A.W) ho mpiantso ny olona sy mpampianatra , dia nohazavainy fa izy dia hihaona amin'ireo vahoaka Kristiana, mba hiomanany amin'izany, ka hanomboka ilay fiantsoana amin'ny tena zava-dehibe izay vao manarak'izany. Ka hiantso azy ireo amin'ny famolavolana ny foto-pinoana aloha, amin'ny alàlan'ny fijorona vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah, ary i Mohammad (S.A.W) no irak'I Allah; Satria amin'ny alàlan'ny fitenenana izany no hidiran'izy ireo amin'ny finoana silamo, ka raha nampanarahin'izy ireo fanompoam_pivavahana izany, satria ny fanompoam_pivavahana no adidy goavana indrindra aorian'ny finoana sy fanokanana an'I Allah. Ka rehefa tanteraka izany, dia nodidina ny mpanan_karena amin'izy ireo hamoaka ny Zakat amin'ny harenany haverina any amin'ny mahantra, ka norarany ny fakana harena ankoatr'izay, satria izay ihany no voadidy. Avy eo dia nanariny mba hiataka ny fanambakana, mba tsy hanaovan'ilay voambaka fangatahana ratsy ho azy, Satria ny fa,gatahana ataon'ny voamabaka dia mivaly avy hatrany.
Hadeeth details

Mampahafantatra i Mpaminany (saw) fa ny olona sambatra indrindra amin'ny fanelanelanana ataony amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia ireo izay miteny hoe : "Tsy misy tompo afa-tsy Allah avy am-pony, izany hoe : Tsy misy tompo tompoina am-pahamarinana afa-tsy Allah, ary voaro manoloana ny fanompoan-tsampy sy fireherehana.
Hadeeth details

Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia misy sampana sy fizarana maro, ka tafiditra ao ny asa sy ny foto-pinoana ary ny teny. Ary ny avo sy tsara indrindra amin'izany dia ny fitenenana : "Là ilàha illal-làhou", mahalala tsara ny dikany, manatanteraka ireo asa takiany, izany hoe : izy Allah no tompo tokana mendrika ho tompoina ary tsy misy ny ankoatrany. Ny ambany indrindra amin'ny asan'ny finoana dia ny manala izay rehetra mety manimba sy mandratra ny olona amin'ny làlany. Avy nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahaizana menatra dia anisany amin'ny finoana, ary izany dia toetra mitarika amin'ny fanaovan-tsoa sy ny famelana ny ratsy.
Hadeeth details