Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) : Ireo vahoaka mpanompo sampy efa namono olona im-betsaka sy nijangajanga be dia be, ka tonga nanatona an'ny mpaminany Mohammad (S.A.W) izy ireo ary niteny hoe : Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay, teo dia nilatsaka ny andininy masina manao hoe : “Ary izay tsy mangataka amin'ny Tompo hafa, miaraka amin'Allah, sy tsy mamono ny aina izay nataon'Allah voarara, raha tsy amin'ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga}. -[Forqan : 68], ary nilatsaka koa ny andininy hafa hoe: “Lazao hoe : Ry mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra tamin'ny tenany, aza very fanantenana amin'ny famindram-pon'Allah ianareo.” [Al-Zomar: 53].
Mari-pototra
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Houssain (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) : “Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy, ary izay nanao fatotra ary nandeha amin'ny mpamantatra ny hoavy ka mino izay lazainy, dia efa nikomy ny zavatra nampidinina tamin'i Mouhammad (S.A.W)".
Tsara
Notantarain'i Al-Bazzàr
Tatitra azo avy tamin'i Shaddad bin Aosi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Lehiben'ny fangataham-pamelana dia ny fitenenana hoe : Allahoumma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Ana Abdouka Wa Ana 'Ala Ahdika Wa Wa'adika Mastatwa'atou; Abou'ou Laka Bini'imatika 'Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innahou La Yaghfirou Zounouba Illa Anta. Izay midika hoe : Tompo Allah o, Ianao no tompoko, Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Ianao, Ianao no nahary ahy ary izaho no mpanomponao, Hanaraka ireo nifanekeko taminao aho sy ny fampanantenana arak’izay vitako, Arovy aho amin’ireo ratsy vitako, Miaiky ireo fahasoavanao ato amiko aho, Miaiky ny fahotako aho, Mamelà ahy, Fa tsy misy hamafa ny fahotako afa tsy ianao irery ihany. Hoy izy : “Ary izay miteny an’izany amin’ny antoandro am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny atoandro alohan’ny ahatongavan'ny hariva, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy, ary izay miteny an’izany amin’ny alina am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny alina alohan’ny ahatongavan'ny maraina, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy".